Fiainany angamba no tsy milamina
Tsy azoko mihintsy fa mahafanina
Teny am-pidirana moramora
Tanjona anefa ny tsaratsara
Hanamboatra dimby sy fara
Fiainana ihany ka mampihomehy
Ny chips hatramin'ny hamburger
Ny aingintraingitra sy valera
Hatramin'ny paosiny fata-pera
Havany raha vao miveravera
Dia izy hono mila mandoa hetra
Rehefa ampanaovina taille basse
Maty aho, midingina ny hambo-po e.. pouah
Manao cinéma, ka mahasosotra ahy
Mamandrim-pandrika, sady mandrangitra
Inona azy ity, toa milalao fitia
Efa nitsingerina izao ny taona
Mbola omaly tsy miova foana
Tsy ohatriny tamin' ilay voalohany
Be ’reo lasa sy nangatsiaka
Fa tonga hatrany amin'ny paradisa
'Zaho nefa tsy manery azy
'Zaho ho'aho tsy manao santazy
Hiaraka ihany sa hiarakaraka
Ireo fahazarana teo aloha
Dinidinihana mihitsy aloha
Zariko kely vary amin'anana
Asiana kitoza mahalankalana
Tsy misy intsony ny vantamine
Sanatria tsy takalom-patsa
Tsisy akory ny latsalatsa
Tsy maninona aleo tsy misy
Fa amin'ny manaraka miandry gisa
Ambongadiny tsisy fanampiny
Hilomanosana, hifanotofana