Mivarahontsana, montsamontsana ny foko kely
Somary efa jambena, ianao mihenahena
Misy mafy hatoka sy akoho voakapoka
Efa miteny irery, ho izy sa ho very
Mivoaka miditra aza boredika ny vava
Ny vanin-taolako avy mangotsoka aoka izany
Fa andro maromaro vao afa-mifangaro
Adala aho tsindrian-daona, fangala-piery foana
Roanjato isa-minitra ny fidoboky ny fo
Aponga kely vita, fa babo angamba moa
Ny afom-pitiavana nisoko ao an-tratrako ao
Ny filafilanao miteny tsotra izao
Ny onjanao mahery, fanahiko efa ho very
Bedaina aho dia atosika satria potipotika
Ilay orokao mangina natao fihantsiana
Porofon’ny fanekena tsy nifanerena
Tsiambaratelo kely, hay zava-mahery
Ny afom-pitiavana nisoko ao an-tratrako ao
Ny filafilanao miteny tsotra izao
Izaho mangidihidy, ianao fanalahidy
Masaka no tanjona, k’odianao mianjonanjona
Auteur : REBIKA - Compositeur REBIKA - Album VOL 6