Tsy terena ianao hitia ahy
Ny fisainako sy ny fiainako
Toy ny zaza mianatra mamindra
Raha vao lasa ianao dia mitomany
Tsy tanty ny hetraketraky ny tany
Sao dia nofinofy fotsiny ihany ho ah
Ilay fitiavana notantarainao ahy
Sao dia vetivety dia tsy hita
Sao dia tantara mora vita
Nodoranao ilay hazo fijaliako
Miaraka aminao no tena tiako
Paradisa izany ho ah tsy ilaiko
Miaraka aminao no tena haiko
Ny Andriamanitra inoako dia ianao
Ka avelao aho hitapify eto an-tratranao
An an an , An an an, eto an-tratranao
An an an , An an an, eto an-tratranao
Niezaka aho hitady zay hasolo anao
Diso ve ny foko nisafidy anao
Nefa dia niveri-maina sy nangaina
Ny anaranao no masaka ato an-tsaina
Vonona aho ny hiankohoka eo an-tongontrao
Ny foko efa resy te-hanompo anao
Fitiavana tsy misy fefy, tsy voafetra
Mandritra ny androm-piainako rehetra