Samy mahalala any anatiny any
Izay rehetra hita, azo henoina sy tsapaina
Samy misy fiadohana, misy fiafarana
Fa sambatra izay mahay miaina tsara
Oh ry foko, moramora ihany
Amin’ity rotoroto tsisy fiafarany
Mba hiadananao rahampitso
Dia ataonao sorona ny androany
Nefa anie ny androany ampitson’ny omaly
Rahoviana izany ianao vao hiaina ?
Raha tsy hay ny antony isiana
Oh ry foko, moramora ihany
Amin’ity rotoroto tsisy fiafarany
Mba hiadananao rahampitso
Dia ataonao sorona ny androany
Nefa anie ny androany ampitson’ny omaly
Rahoviana izany ianao vao hiaina ?
Raha jerenao ny fiainanao, sambatra ve ianao ?
Sao dia mihazakazaka ivelan’ny kianja ianao ?
Any amin’izay tsy mivonto
Ilay loharana tsara mila fantatrao.
Oh ry foko, moramora ihany
Amin’ity rotoroto tsisy fiafarany
Mba hiadananao rahampitso
Dia ataonao sorona ny androany
Nefa anie ny androany ampitson’ny omaly
Rahoviana izany ianao vao hiaina ?
Oh ry foko, moramora ihany
Amin’ity rotoroto tsisy fiafarany
Mba hiadananao rahampitso
Dia ataonao sorona ny androany
Nefa anie ny androany ampitson’ny omaly
Rahoviana izany ianao vao hiaina ?