Izay misy ny harena hono no misy ny fo
Sombin'aiko ianao, ianao ho ahy, fananako
Tiako ho vanin-ko lakana ianao, zanako
Hiezaka aho mba ho tany tsara hanirianao ny fiainako
Hiara-tsy hamono, tsy hamono
Tsy hisy ho tsy ampy, hamoky, hampitafy
Eny, ho tsaboiko raha marary
Tsy ho sendran'ny mosary any aoriana, zanako
Eny, ireo manodidina hiaraka hitsimbina anao zanako
Eny, ireo havana sy namana, hifanome tanana hahavanona anao
Karakaraiko ianao sombin'aiko
Ampiasaiko aminao ny heri-tsaiko
Hitaiza, hanoro, hiaro, tsy hamono
'Zay rehetra azonao tsy maintsy ho hajaiko
Karakaraiko ianao sombin'aiko
Ampiasaiko aminao ny heri-tsaiko
Hitaiza, hanoro, hiaro, tsy hamono
'Zay rehetra azonao tsy maintsy ho hajaiko eh
Tsy maintsy ho hajaiko eh
Tiako ho vanin-ko lakana ianao, zanako
Hiezaka aho mba ho tany tsara hanirianao ny fiainako