Tsara kokoa noho izany ianao
Na inona antony na inon-kidona
Tsara kokoa noho izany ianao
Tia ny rariny sy hitsiny, azo antoka, azo antenaina
Fa tsy kapotsapotsaka, tsy hay tsy hay
Izay tsara aoka hiatsara ihany
Izay ratsy aoka hiaratsy ihany
Samy handoa ny vidiny ao aloha ao
Ohatra tsara ianao, tsy olona fahatany
Manana ny maha izy anao ianao, k'aza midina ambany
Mahitsy fijery ianao, tsy voavidy tsy be vinany
Tompon'andraikitra tsara ianao, k'aza midina ambany
Tsara kokoa noho izany ianao
Mahay miary amin'ny madio sy mangarahara
Fa tsy hoe maka ery de maka ety
Tsara kokoa noho izany ianao
Tia manampy ny hafa, manana fo honena
Tsy matahotry ny tsy hanana
Izay tsara aoka hiatsara ihany
Izay ratsy aoka hiaratsy ihany
Samy handoa ny vidiny ao aloha ao
Ohatra tsara ianao, tsy olona fahatany
Manana ny maha izy anao ianao, k'aza midina ambany
Mahitsy fijery ianao, tsy voavidy tsy be vinany
Tompon'andraikitra tsara ianao, k'aza midina ambany
Ireo olona manam-pahaizana nefa tsy manam-pahendrena
Tsy azony fa ny hery nomena azy
Natao hanompona fa tsy hanitsahana ny malemy
Na ho ela na ho aingana izaho sy ianao
Tsy maintsy hijoro eo anoloan'ilay mpitsara marina
Tsisy afaka miala, tsisy afaka mialaaa
Ohatra tsara aho, tsy olona fahatany
Manana ny maha izy ahy aho, ka tsy hidina ambany
Mahitsy fijery aho, tsy voavidy tsy be vinany
Tompon'andraikitra tsara aho, ka tsy midina ambany
Ohatra tsara ianao, tsy olona fahatany
Manana ny maha izy anao ianao, k'aza midina ambany
Mahitsy fijery ianao, tsy voavidy tsy be vinany
Tompon'andraikitra tsara ianao, k'aza midina ambany