Fotoana fohy na herinandro angamba izay
Tsy nanana an’iza hiresahana
Mitazatazana ireo mpandalo
Na koa mikalokalo f’izany moa
No fialam-boly ankafiziko
Rehefa irery eny aho ka manary dia
Indray atoandro be migaina
Nirava nianatra izy angamba
Na koa asa lahy na mba ho aiza
Ny fihetsiny mitomban-dahy
Nahavarina, nambabo fo,nahafatifaty
Hay ianao no nandalo ahy ianao
Hay ianao no nadalo ahy ianao
Nifananihany, nifampikopa-tanana
Nefa tsy nandao ny eritreritro
Ny tranontsika moa nifanakaiky rahateo
Ka dia nifankahita matetika
Toy ny mpiray tanàna rehetra
Nanadikadina izay rehetra momba anao
Ary mba iza moa no anaranao
Ianao koa moa tsy nihafahafa
Raha tianao ho fantatra ny ahy dia "Josée"
Ary mba iza ho’aho no hiantsoako anao
Hay moa fantatrao ny anarako
Faly aho fa lasa namako ianao
Faly aho fa lasa namako ianao