Dia hitako avy ireo lozako
Tsy matin-kambo amin'ny tenako aho
Nilaozan-tena ity sitrapo
Raha nitodika aorianako aho
Tsy te hiverina handositra
Ka ny ho avy sisa antenaiko
Na mampatory io na tsy haiko
Fa tsy ho tadidiko intsony
Miady mafy aho mba hanadino
Ny alahelo tsy fanahy iniana
Amin'ny nofy aho no mba miaina
Raha torimaso tsy hita fehezina
Tsy ato an-tsaiko intsony (6 fois)
Midodododo lasa saina, lasa setroka aho
Tsaroako daholo ireo fotoana soa
Hifikirako amin'ny fiainana
Vao maika loza Izy no hita
Manavatsava ao an-tsaiko* Mitsiky amiko
Tiako fafana ao an'eritreritro
Raha mitodika aorianako aho
Tsy te hiverina handositra
Ka ny ho avy sisa antenaiko
ref....Mila fanavotana aho
Na ody gasy io na fahagagana
Dia tsy mandaitra intsony
Miady mafy aho mba halaviro
Ny alahelo tsy fanahy iniana
Amin'ny nofy aho no mba miaina
Raha torimaso re miverena
Tsy ho ato an-tsaiko intsony (2 fois)