Sainonao ange isika vao nifankatia.
Nioty voninkazo natao hoe tsy halazo,
Natao nisy ireny ho fitsapana ihany,
Fa saingy tsy ankiteny, tsy nolazaina antsika,
Tofoka ianao, niantso tody koa angamba.
Izaho kosa anefa nahatsapa tamin’izay
Mionona f’aza mba misaina akory
Raha toa, raha toa manorisory,
Miondreha ianao, hodio tsy hita.
Aoka anefa ho fantatrao fa ny eto
Dia mandalo sady tsy ilaozan-tsento,
Ka ny hany azonao atao, mionona ihany,
Fa izay no fiainana eto an-tany.
Fantatro ianao fa efa nionon-tsaina,
Nahay nanadino ireo sorisory maro
Ireny rehetra ireny, niserana avokoa.
Tsy maintsy misy fetra, ka aoka tsy hitsetra
Nionona ianao, izao nahay nitsara tena.
Niara-niaiky isika hatrizay ka hatrizao