Ry mpandalo lazao raha mba hitanao any ho any
Fasana iray no misy izay dadako izay
Tsy mba misy mpamangy, tsy misy mpijery
Ao i dada tiana, miondam-bato manirery
Lazao, lazao fa mba manan-kambara,
Na ho vavaka indraim-bava ihany
Na fehim-bonin-kazo, fehim-boninkazo tsara
Ho veloma entiko hapetrako any.
Lazao, lazao fa mba manan-kambara,
Na ho vavaka indraim-bava ihany
Na fehim-bonin-kazo, fehim-boninkazo tsara
Ho veloma entiko hapetrako any.
R'ilay tokana nihantako koloiko aok'izany
Tsy hitako intsony lasanao ry fasana ô,
Dada ô, izaho anie ka tomany
Mahery e ny ankason'ny tany
Fa folak'andry niankinana
Nefa anie izany na tian'ny tany na tsia
Mbola ao ihany ny lanitra mbola ho doria ô
Dada ô any hono hoe mifampiandry
Mbola ho avy izahay sy zandry
Izany dadako ô, indray andro any.