Eny, mafimafy ihany ny mandia tany mety hisy ny tomany
Mahatsiaro irery mba te hohenoina
Zay rehetra aleha toa tsy mahafa-po
Ilay tara-masoandro andrasanao
Mavesatra any am-ponao any
Tsy misy hitoetra fa mandalo ihany.
Fafao ny ranomaso, banjino ny ampitso
Fa ho heniky ny hasambarana
Hamiratra indray ilay tsikinao.
Eny, Mety hitanondrika ny loha
Mavesabesatra ny fo raha tojo ny ankaso
Tsisy hiantsampazana, banga sakaiza
Ilay mazava indray no andrandraina,
Manantena nefa fa ho avy ny maraina.
Ekeo izay mety ho anjaranao
Fa io fanefena hanatsara anao.
Maneke ho meva, meteza ho soa
Mavesatra any am-ponao any
Tsy misy hitoetra fa mandalo ihany.
Fafao ny ranomaso, banjino ny ampitso
Fa ho heniky ny hasambarana
Hamiratra indray ilay tsikinao.
Koloy tsy ho faty ilay afo ao anatinao.
Na inona hitranga avy eo, tsy hisy hahaleo.
Mavesatra any am-ponao any
Tsy misy hitoetra fa mandalo ihany.
Fafao ny ranomaso, banjino ny ampitso
Fa ho heniky ny hasambarana
Hamiratra indray ilay tsikinao.