Mangataka zaho miangavy anao itandregny
Mangataka zaho satria mila anao ny firenena
Tsy azo ilavigna fa antsika latsaka ankateregna
Kay magnantso anao satria firaisan-kina no hery
Misy aminao ny fahalalagna sy fahendregna
Niketrika anao atr'izay tsisy mbô nitandregny
Kay fotoagna izao tsy iambina ny hafa
Iaraka agnôva, iaraka agnôva
Anambatra hery anambatra saigny
Ka ipetraka ho lôva, ipetraka ho lôva
Ho lovain-dreo avy agny afara
Ovaintsika ny lalan'ny tantara
Ny akamoagna ialao fa fahavalonao sy zaho
Kay aza mora kivy fantako izio vitanao
Mokondoha ana commando andao
Io jaly io resintsika, ahitantsika fika ah
Fahaizagna basy iatrehantsika anazy
Mamorona asa andreo ry tanora
Aza miala bala na inok'idona
Za matoky anao tsy iraviravy tagnagna fao
Sahy handray andraikitra asahy ijoro
Ndray fanantenagna an'ny tany sy tontolo
Kipiagna le maso avy ilay nandrandraigna igny eh
Dia ipetraka ho lôva, ipetraka ho lôva
Ho lovain-dreo avy agny afara
Ovaintsika ny lalan'ny tantara
Toe-tsaigna ovao manomboka izao
Andao avotagna ny firenena
Tsy itsanga-menatra eky gasy eh
Fa amiratra hatrany andafy
Iaraka agnôva, iaraka agnôva
Ka ipetraka ho lôva, ipetraka ho lôva
Ho lovain-dreo avy agny afara
Ovaintsika ny lalan'ny tantara