1. isan'andro aho dia reraky ny fiainana,rotoroto lava
Trotraky ny adin-tsaina,izay tsy mety ho rava
Hitangoronan'ireo,olana mifamahofao
Sahiran-tsaina aho,te hiala izao fahoriako izao
1*tô lasa ny saiko mandinika izay hiafarahako
Tsy hita izay aleha mila hiala hatramin'ny aiko
Tompo ô,afaho re ny zioga lanjaiko
Fa tsy ampitondra izay tsy zakako ianao ry raiko
Fiv :tsy ampy anao,mitady anao
Raiko ô,amin'izao,fotoan-tsarotra iainako
Dia te anambara hoe mila anao jeso
2. nefa ianao irery ihany,ry jesosy tiako
No afaka andravon'indray ny fahoriako
Mba tantano aho ry zoky malalanay,
Vimbino aho,anio sy ho mandrakizaaay
2*tsy mahefa n'inon'inona,ra tsy anilanao
Tsy misy dikany aho,ra tsy ankavananao
Mba omeo hery mba hizorako indray
Sy ahitako ny lalam-baovao Ray