(Amboary fa mbola maloto)
Amboary Jesosy rantsano, ahitsio
Fa hiova aho manomboka anio
(Amboary fa te ho mpanompo)
Amboary fa te ho mpanompo
Amboary Jesosy diovy ovay
mba ho mendrika anao rahatrizay
Réf: (Mila Anao aho Jesosy a!)
(Mila Anao aho, Mangetaheta Anao)
Mila Anao aho mangetaheta Anao
Mila anao ny fanahiko ka mba vangio
Koa meteza handray ahy anio (x2)
(Mila Anao aho Jesosy, mila Anao aho)
(Mangetaheta Anao ny fanahiko)
(Midina Jesosy a, midina aty anatiko Ianao)
(Mba hafao aho, mba hiantrao aho, mba hamindrao fo)
(ka meteza Jesosy, amboary ny foko)
Mba tefeo Jesosy ity foko ity
Mora miova mora mivily tokoa
Ampianaro aho Jesosy hankatoa
(Mba rantsano aho Jesosy a)
Mba rantsano aho ry Jesosy Tompo
(Mba rantsano aho fa nofo ny nofo)
Mba rantsano fa nofo ny nofo
(Ireo toetra tsy mendrika ananako)
Ireo toetra tsy mendrika ananako
Réf: . . . . . . . . (x2)
Mila anao ny fanahiko ka mba vangio
Ka meteza handray ahy anio (x3)