Misy feo miantso avy any alavitra any
Toa manainga ahy lay feo,
Taitra ny saiko, ny foko mitempo tsy ho tana
Raha toa mitady azy ianao,
Tsy sanatria ditra ny revinay,
'Reo akama any efa miandry izay,
Izaho sy ianao, mandrakizay
Miaraka miainga, dia miara mifaly
Eny ambony soavaly metaly
Misy ireo mbola tara fa tsy asianay kafara
Raha hiaraka aminay dia arotsahy ny sanjila
Io manja foana rehefa miara-dia
Rehefa tsisy nianjera, akaro ny vera
Dia ampio iray ny labiera
Ka tsy ho atao afo mololo
Raha toa mitady azy ianao,
Tsy sanatria ditra ny revinay,
'Reo akama any efa miandry izay,
Izaho sy ianao, mandrakizay
Raha toa mahatsiaro azy ianao,
Dia tongava mba ho namanay,
Iray minitra ho ataonay tsiahy
Ireo akama nandao hatrizay,
Izaho sy ianao, mandrakizay
Raha toa mitady azy ianao,
Tsy sanatria ditra ny revinay,
'Reo akama any efa miandry izay,
Izaho sy ianao, mandrakizay