Rendrarendra ve sa kosa hambo-po
No mahatonga ny tanora hanao an’io
Fa na lahy na vavy tsisy an-kanavaka
Fa toa tsy afaka amin\\’io
Fikasana ratsy ve sa sitra-po
Sa dia manala azy iray ihany moa
Tsy safidy,tsy an tery nefa tsy azo hialana
Raiso ho anao ny safidy o
Anjaranao ny mijery izay mamy sy mangidy
Raha iainana isan’andro o
Anjaranao ny mijery izay mahasoa anao
Rehefa hody koa ny hariva mbola eo ianao
dia mbola mino foana ianao
Dia mbola mino foana ianao
Na andro alahady na andro fety
Na maraina na hariva Revy mba tsy vetivety
Mitanisa hatramin ny vera
Ny tavoahangy lany tsy voaisa
Ny sasany efa tsy maharay ve
Asakasakao fa tsy haiko intsony
Sitrapon ny tsirairay,sitrapon ny tsirairay
Isan’andro toa mitaintaina
Indray le revy,indray le revy
Vao tsy mahita ireo akama