1. Nareo izay variandriana aoka ho taitra
mivonoana hitsena azy fa ho avy ny Tompo
lazao amin'ny havanao sy ireo manondidina
vontosy filazantsara ny nosintsika
tsy hadino ireo vazantany
Isika rehtra e no hiara hiezaka
fitoriana no atao fa tsy ho be resaka
tsy hatoritory fa tena hanambara
f'ireo izay mitady ho kamo dia ho tsarain'ny tantara
Réf : Dia raiso ny baiboly, vimbino ny fihirana
andao hiaraka hitory aoka tsy hisy iala e!
Jesosy no ambarao satana dia avelao
ny lanitra no tanjontsika aoka tsy hisy hiala e!
soliste: na inon-kidona na inon-kihatra oa!
na hery io na vola o! mety hiraraka
Tsy misy mitsitsitsy e! na herimpo na rondoha
ny finoana tsy maintsy miakatra
F'izao ary no fotoana o! f'aza mangataka andro
mety io! mety io! eny hoy aho!!!
2. aoka hikely aina isika rahavako o!
handao ny rindrina efatra
ivoaka any antanimboly sy hikarakara
hanongotra ireo tsilo mitady handrakotra
ka ho tonga vava iray sy fo feno vavaka
no hiara hitsena ny Tompo
Isika rehtra e no hiara hiezaka
fitoriana no atao fa tsy ho be resaka
tsy hatoritory fa tena hanambara
f'ireo izay mitady ho kamo dia ho tsarain'ny tantara
Réf : Dia raiso ny baiboly, vimbino ny fihirana
andao hiaraka hitory aoka tsy hisy iala e!
Jesosy no ambarao satana dia avelao
ny lanitra no tanjontsika aoka tsy hisy hiala e!
Venteso am langoroana e ny fitoriana oah!
eny e! eny e! eny hoy aho!
venteso am lamoziaka e ny fitoriana oah!
eny e! eny e! eny hoy aho
venteso amin'ny bapampa e ny toriana oah!
eny e! eny e! eny hoy aho
aroho angorodao e ny fitoriana oah!
eny e! eny e! eny hoy aho
Réf : Dia raiso ny baiboly, vimbino ny fihirana
andao hiaraka hitory aoka tsy hisy iala e!
Jesosy no ambarao satana dia avelao
ny lanitra no tanjontsika aoka tsy hisy hiala e!