Dia ampy anadinoako kely azy androany,
Raha ho tantaraiko, na ialahy mety hitomany.
Fa tena tiako lesy izy iny,
Nefa tsy afaka ny hanome tsiny aho,
Tsy nahatanteraka ny faniriany angamba,
Aleo izy ho any rehefa iny no tiany.
REF: Iray vera sisa angamba dia zay,
Aza dia sakanana aho fa mba zay,
Elah no mba namako hitantarako,
Mba ampio aho lesy hanadino azy.
Dia mbola tiako ihany izy,
Miezaka mankahala anazy aho fa tsy vitako,
Mba tsy hiantso azy intsony,
Iray vera farany angamba dia mety hampitony.
Fa tena tiako lesy izy iny,
Nefa tsy afaka ny hanome tsiny aho,
Tsy nahatanteraka ny faniriany angamba,
Aleo izy ho any rehefa iny no tiany.
REF: Iray vera sisa angamba dia zay,
Aza dia sakanana aho fa mba zay,
Elah no mba namako hitantarako,
Mba ampio aho lesy hanadino azy.
Tapa-bera sisa angamba dia 'zay,
Ampy anadinoako ilay tsikiny,
Za ihany no namako hitantarako,
Mba ampio aho lesy hanadino azy.
Nampiditra ny Hira: Mickaell HR