Ekeko hoe tsy Tonga lafatra aho malala,
Nefa te hiezaka hanamafy fa ianao dia tonga lafatra indrindra ho ahy,
Somary mafimafy ady, tsy manan-karena,
Raha sendra tsy tafitraka toa nampahonena,
Ianao teo foana tsy niala,
Tena hafaliana tsy omby tratra ny any anatiko any,
Satria nahazo olona mamy,
Tsy misy iriako intsony eto an-tany,
F'ianao irery ihany dia ampy.
Sembanan-drahona, ianao tsy niala fa teo ihany,
Nataonao tsapako fa misy ny fitiavana,
Somary mafimafy ady, tsy manan-karena,
Raha sendra tsy tafitraka toa nampahonena,
Ianao teo foana tsy niala,
Tena hafaliana tsy omby tratra ny any anatiko any,
Satria nahazo olona mamy,
Tsy misy iriako intsony eto an-tany,
F'ianao irery ihany dia ampy.