Andriamanitra mahery sy mahagaga Ianao
Raha vao miodina aho dia very,
Vitanao tsianjery ny fiainako izao
Tompo ô ! Babo aho, ka tsy hiala aho
Be dia be ny fahoriana niainanay tety Ray
Fantatrao ny fihafiana, toa nangidy
Nefa Ianao tsy nangina fa niady foana ho anay Ray
Ka misaotra Anao (Misaotra, misaotra Anao)
Midera Anao (Midera, midera Anao)
Teo ny aretin-dratsy izay namety anay
Fa narovanao tanatin’ny maro aho
Nasehonao fa misy mpiaro aho miady ety
Teny fikasana hatrany hatrany no azoko
F’Ianao mamonjy ahy tokoa
Andriamanitra mahery sy mahagaga Ianao
Raha vao miodina aho dia very,
Vitanao tsianjery ny fiainako izao
Tompo ô ! Babo aho, ka tsy hiala aho
Tompo o ! Miaiky Anao aho, tia ahy loatra Ianao
Fa na ratsy aza aho mbola nomenao
Famindram-po sy fiainam-baovao ka raiso izao
Ny fiainako rehetra indro atolotro
Andriamanitra mahery sy mahagaga Ianao
Raha vao miodina aho dia very,
Vitanao tsianjery ny fiainako izao
Tompo ô ! Babo aho, ka tsy hiala aho
Tompo ô ! Babo aho, ka tsy hiala aho
A/C : LovaN (Novambra 2021)