1. Rehefa milamina ny fiainako toa tsy mahatsiaro Anao aho
Ry Jesosy fitarainako, adala anie aho
Dia indro Ianao mamerina ahy, mibitsik’isan’andro
Ny tsorakazonao mananatra ahy, tsy sasatry ny miantso
Tsy avelanao handeha irery aho raha miatrika ny ety
Ny foko anefa dia malemy, ‘ndraindray maniasia
Fa anarinao am-pahendrena tsy ho ratsy fiafarana
Fa manaitra hatrany Ianao
Ka raha ho avy Ianao dia izaho no hitsena
2. Nanganohano aho raha nandinika ny lasako Jesosy ô!
Ianao ‘Lay tsy nanilika ahy na ratsy aza aho
Impiry Ianao manaitra ahy vao indro aho mahatsiaro ?
Hiantorak’eo an-tratranao indray, hifikitr’isan’andro
Ny vavanao raha vao miteny dia Hery sy Fitia
Tsy sitrakao ny hisy ho very ‘reo ondry izay nania
Fa antsoinao ombieny ombieny hahita fahazavana
K’any am-parany any tsy maintsy hiteny hoe
Ny miaraka Aminao dia fifaliana
Tsy maintsy misy koa ny hazo fijaliana
Fa Ianao no manefy ahy, mikapoka sy manafay
Nefa koa miaro indray raha sendra izay ady mahamay
Tsy avelanao handeha irery aho raha miatrika ny ety
Fa Ianao no mitantana ahy
Ny aza anefa dia malemy, ‘ndraindray maniasia
Fa anarinao am-pahendrena tsy ho ratsy fiafarana
Ka raha ho avy Ianao dia izaho no hitsena
3. Nanganohano aho raha nandinika
Ianao ‘Lay tsy nanilika ity zandrinao