Tsy ampy angamba ny fiteny
Sy ireo voalazako ombieny
Toa tsy ho aiko ny handao
Efa feno loatra anao aho.
Ny omaly resin’ny androany!
Hadinoko izao rehetra izao.
Babonao ny foko,fa babonao
Hafoiko ho anao (Hafoiko ho anao)
Toa mahasaro-piaro lava izao
Fa sariaka loatra ka manahy sao lasa any ianao
Te hilaza fa hoe tia anao,
Nefa matahotra sao lavinao eo aho.
Fa maa aha...lahelo an-dry ny aty
Mbola manantena foana izaho aty.
'Reo nofinofy hatrizay,tsy Niova sanatria
Ekeko aloha fa tsy ho lafatra (Tsy ho lafatra)
Zay tratrin 'ny heriko dia...
Mba ho ento zao hafatro izao
Ny alahelo hono hoe tsy mba tony,
Manina aho fa tsy afa-mandao.
Ho kamboty velon-dray ve izahay?
Ka hanjeninjeny foana hitsiriritra ireo namanay
Very vahatra izahay, toy ny masoandro;
Ny masoandro vao miposaka ka hilentika sahady ho maizina.
Ry Neny ô, dia tsy ahita maso intsony anao anie aho
Ry Neny ô! ôôôh!, iza indray no hamangivangy ahy, hnnn!!
Ry Neny ô, izaho aty ka efa niova anie
Ireo mafy nentinao ,tsy fonjako fa fonjanao.