Mandalo anie izao fiainana eto izao
Tsy mba haharitra fa mora lao
‘Ndrao ho dila ny fotoana
‘Ndrao lahy efa ambavahoana
Ka ho very satria tsy miambina
Fa tsisy antenaina haharitra doria
Izay rehetra isasarana malia
Rehefa tonga ny fotoana ialàna ety
Tsisy tompon'ny ampitso izaho sy ianao
Samy mpivahiny ka tsy maintsy handao
Ka raha samy hisafidy ihany
dia aleo homanina dieny eto an-tany
Ny handraisanao ny anjaranao ary
Dia halavirina ireo toetra tsy madio
Ireo ratsy izay fanao ariana dieny anio
'Ndao Jesoa no havela hanjaka
Hitoetra ao am-po, hamaka...
F’anio raketo ao am-po indray
Fa izay vita anio jinjaina rahatrizay
izay hijoroanao manoloana
izay an'i Jesoa tsy avelany hanahy
Tsisy tompon'ny ampitso izaho sy ianao
Samy mpivahiny ka tsy maintsy handao
Ka raha samy hisafidy ihany
dia aleo homanina dieny eto an-tany
Ny handraisanao ny anjaranao ary
'Ndeha homanina ny ampitso rahatrizay
misy lova am-parany any omen’ny Ray
Ka rehefa mby ny fiafarana
Jesoa no hiady ho ahy sy ho anao
Jesoa no hiady ho ahy sy ho anao…