Dia mifikira amin'ny Tompo ianao.
Angamba efa diso fantatrao
Andro farany izao iainan-tsika izao,
Mifarana tsy ho ela izay ety an-tany
Sao ianao variana ka hanadino izany.
Avelao izahay hampatsihay indray
Fa misy fiainana miandry an-tsika rahatrizay,
Ny fiainam-panahy no ataovy tsara karakara
Tonga dieny izao, miorena tsara.
Dia mifikira amin'ny Tompo ianao.
Aoka ihany koa tsy ho adinonao
Fa maro fahavalo izao lalan-tsika izao,
Ataony avokoa izay fomba rehetra
Hatonga anao ho kivy sy tsy hitoetra.
Nefa izaho mahatoky f'ianao tsy hanaiky izany
Izao sy ianao koa ny hifanaiky hifam-pahery hatrany,
Tsy misy mampanahy raha ny Tompo ny momba an-tsika...
Dia mifikira amin'ny Tompo ianao.
....Ouh!!...Iah eeeh iah!!!...Aza miala amin'i Jesôsy ianao ô!....
(N'inoninona ady miseho amin'ny fiainanao)
(Aza adino fa efa vanin'andro farany izao).
(N'inoninona ady miseho amin'ny fiainanao!)
(N'inoninona ady miseho amin'ny fiainanao!)
(Aza adino fa efa vanin'andro farany izao)
(Miorena foanafoana ianao).