Misy zavatra tsy tsapan-tsika e!e!!
Ho lazaiko satria, manan-danja loatra
Mampifandray, mampifameno an-tsika e!
Sa ve izao no atao hoe mivoana.
Toa iainan-tsika andavan'andro anie!
Avy ato am-po sy eny rehetra eny,
Fihavanana, fifankatiavana
Ho averin-tsika ireo fahiny.
Tompo ô, mijaly izao tontolo izao
Ireo asa ratsy izay nageja anay
Toa tsy hita ilay fihavanan-tsika e!
Ampahafantaro anay izay mety ho làlana, hizoranay.
Finoana, Fanantenana, ary Fitiavana!
Fa ny lehibe indrindra amin'ireo!!
Dia ny fitiava-namana, ny mpiara-belona,
Mila mifankatia, tsy miatsaravelatsihy
F'izay no hafatrao ry Tompo be fitia
Aza mifandrafy, atsaharo ny ady,
Raha te ho tsara andro iainanao!
Hajao foana ny Ray aman-dreninao,
Izy ireo anie no ahitana masoandro e!
Mendrik'ireo miteny hoe: "Tiako ianao e!"
Ireo mpifankatia hajao hatrany amin'ny ho doria
Tiavo ny namanao, aza mialona aa!!
Na mahantra izy na manan-karena
Olom-belona isika rehetra izao
Marina, tsisy tonga lafatra
Andao isika ary hiara-dia
Fa fandalovana ihany ety...!!!