Tsy fanahy iniako fa dia tonga ho azy
Ilay tsikitsiky sy ny vazivazy
Toa misy zavatra misarika ahy
Mahatonga ahy ho sahisahy
Mitombo indroa ny fidobiky ny fo
Tsy te ahalala izay hitranga avy eo
Sy ny zavatra mety hiseho
Ny Endrika, Ny haingo, Bika lafatra
Izay mba fonao omenao ahy
Efa mitsotra anie ny tanako
Aza avelanao ho lasa adala
Ka manao mody tsy te ahalala.
Tsy aiko aloha izay tokony ho atao
Izay mety rehetra hambaboako anao
Toa nilatsaha-baratra avy hatrany
Nahita anjely latsaka an-tany
Ny toetra angamba mino aho fa hifanojo,
tsy fantatro fa mbola visavisa fotsiny ihany
Raha ny ahavesatry ny tady sy ny rojo
Tsy mitovy aloa fa aleoko manontany
Sao ny an-koditra no volamena
Fa any anaty mampanongo tena
Sao ratsy fanahy, lasa mampiahiahy,