Dia mba hiaraka hikalo aminao aho
hitondra hafanana vaovao aho
F’izay ilay tsy ahafoizako anao
-- -- -- -- -- -- -- -- -- -
Ilay tena tiako any aminao
Rehefa mba mangingina aho indraindray
Ilay badabada malefaka tsy mety miato
Tsaroako foana ilay fananao ahy
Ireo teny izay mambabo fo
Miverimberina foana ato an-tsaiko tato ato
Namelovelo tsy nampatory ahy
Ka na aiza na aiza misy anao any ho any
Hijery anao aho androany androany
REF: Raha toa ianao ka tia mozika
Dia mba hiaraka hikalo aminao aho
Raha manerika mangatsiaka
Hitondra hafanana vaovao aho
Tolory tanana aho rehefa tonga an
F’izay ilay tsy ahafoizako anao
Omeo ilay tsiky iray tsy misy ahiahy
Ilay tena tiako any aminao.
Ho tsiahivintsika kely aloha iray minitra
Ireo kely rehetra efa vita
Natao tamin’ny fo niraisantsiaka
Hitondra amin’ny fiainana ho avy sy izay mbola tsy hita
Tsikaritro fa tsy ianao ihany
No tojo fisainana toy izany
Mieritreritra lasa vinany
Maniry tontolo vaovao tena tonga lafatra
Ho matotra angamba ny androany
Lazaiko ho tantaraiko aminao izay
REF: Raha toa ianao ka tia mozikA
Dia mba hiaraka hikalo aminao aho
Raha manerika mangatsiaka
Hitondra hafanana vaovao aho
Tolory tanana aho rehefa tonga any
F’izay ilay tsy ahafoizako anao
Omeo ilay tsiky iray tsy misy ahiahy
Ilay tena tiako any aminao.
Mahay mandray mahay miara-dia
Ouh! Ouh! Ouh! -- -- -- -- --
Dia mba hiaraka hikalo aminao aho
Ouh! Ouh! Ouh! -- -- -- --
Hitondra hafanana vaovao aho
Ouh! Ouh! Ouh! -- -- -- --
F’izay ilay tsy ahafoizako anao
Ouh! Ouh! Ouh! -- -- -- --
Ilay tena tiako any aminao.
Ouh! Ouh! Ouh! -- -- -- --
Ho sambatra izaho sy ianao
( Poopy, Bodo, lalie, Nanie, Malala )