Efa be dia be, ireo efa nandre
Ity fombanao, toetranao, fanaonao
Tiako, tiako, tiako ianao
Toa rava ho azy teo foana, hatramin’izay
Ilay fikasako dia ny hoe “aok’izay”
Tsy te handany ron-doha intsony
Ireo tonom-bavaka fanaoko isan’andro
Dia mba hiova toetra ianao, any andro
Hitohy indray ilay fitia vaovao
Tsy afaka ato an-tsaiko, nankarary ny aiko
Ilay nilazaonao, lasa ianao, toa nandao
Efa nandefitra, ary tezitra
Fa tiako ianao, ary tia tokoa
Ny fotoana, ny fotoana, ny fotoana
Tonga izy ka nanatona ahy
Ilay fitiavany efa nisy, efa tao
Mba ho eo foana, eo foana, eo foana
Ilay fitia, tena tia tokoa
Miantso mafy aho ny Anaranao ry Ray
Mba tsy ho hisy intsony fanindroany
Tantara hafa indray, teo no niainanay
Dia nifankatia, hiara-dia, ho doria !
"Tia tokoa" ny mpihira sy nareo !