Fa ery no Manjakamiadana,
Tàzana ny Rova, ambinkambin-drova,
ampian'ny arendrin'Andriamanitra
Tàzana ny Rova, ambinkambin-drova,
Somary hingaho kely ny sezanao ry Madama
Latsaka atoato ilay paquet tsigara
Ref: Mba jejojejo ô, Mba jejojejo miakatr'io Iarivo io (2)
Asio hirahira tsy hangingina
Vazo gasygasy ihany aloha ny antsika
Mitsofoka tetezana hira evanzelika
Mihazo lalan-tsara hira diabolika
Ref: Mba jejojejo ô, Mba jejojejo miakatr'io Iarivo io (2)
Ilay tilikambom-piangonana
Tàzana ny Rova, ambinkambin-drova,
Iarivo mino an'Andriamanitra
Tàzana ny Rova, ambinkambin-drova,
Manja ny sipa hiaraha-mahalala
Avy eny Manandriana, avy eny Ambohimalaza
Na ny volo ngita, na ny volo tsotra
Zaza an-tsahadita, Zanak'i Alasora
Ref: Mba jejojejo ô, Mba jejojejo miakatr'io Iarivo io (2)
Eto ny vola hoanareo ry aba
Feno ny oron'asa, misy ny afa-kaba
Teto daholo ny olona no naka.
Ref: Mba jejojejo ô, Mba jejojejo miakatr'io Iarivo io (2)
Hiona amin'azy, Hiona aminy any.
Tonga letsy isika, Tonga letsy isika
Tandremo ny entako mivily
Sac mangamanga ny ahy ry Mpamily.
Tsy hay intsony ny mpanera sy ny dahalo
Ref: Mba jejojejo ô, Mba jejojejo miakatr'io Iarivo io (2)
Ny olona eto Iarivo tena olon-kendry
Mety hisy ihany aloha ny totakely
Tonga maraindraina mba miandrasa kely
Tokana ny aina ny entana sao very
Ref: Mba jejojejo ô, Mba jejojejo miakatr'io Iarivo io (2)