Tovovavy jefijefy, kala toa fetsifetsy
no nahataratara an’ahy, ’zaho moa avy any an-tsaha
fa tsara petrapetraka ,tsara petrapetraka aho e
lehilahy mody ,lehilahy mody izao no famindrako(2)
Dia nanao fotoana ,teny amoron-kady,
ny folakandron\\’ny alahady,
fa sempotra nitranga lela any aho,
izay aho vao tonga saina,
fa tsarape trapetraka, tsara petrapetraka,
lehilahy mody,lehilahy mody ,izao no famindrako(2)
Tsy hita maraina manjavona hariva
ianao toa mandreraka ahy,
nataonao papangon-jaza any aho,
fa tsara petrapetraka,tsarapetrapetraka,
lehilahy mody,lehilahy mody izao no famindrako(2)
Niaka-bokatra ny fararano,
ny paosin\\’ny malabariko amin\\’izany
dia niditra an\\’ilay hotely any aho
fa tsara petrapetraka,tsara petrapetraka aho e
lehilahy mody lehilahy mody izao no famindrako(2)
Nanaovako kopile karavaty
dia indro fa nanaraka ahy
nisikinako lambahoany indray andro
fa tsara petrapetraka ,tsara petrapetraka aho e
lehilahy mody,lehilehy mody izao no famindrako(2)
Dia nankalazaina fa andro asabotsy,
fa ny andro fampakarambady,
fa tsara petrapetraka,tsara petrapetraka aho e,
lehilahy mody,lehilahy mody izao no famindrako(2)