Mandondona Razafindratapaka e
Arahin’ilay tsikin’ny Kotondrakikina izy e
Ndreo ry zareo manorisory ndreo ry zareo
Nokisikisinany ny eran’ny trano
Lasa lavanty ny entam-bavety
Kirizy krizy ny ato antonka-trano
Mijery an-drafotsy aza dia efa mahakamo
Mampalahelo tokoa re izao mampalahelo
Mampivavabavaka sy maha-te hangalatra
Zafindratapaka kotondrakikina ndehana amizay
Io izao le-kikina dia mambosibosy
Mivarotra akanjo dia ndehana mi-trosa
Le-tapaka amizany mandrisika ankizy
Zaza tsy ampy taona no amidy toa fripy
Mandratra fon’akizy ary izao no mahita
Z’iro olon-dehibe miady taolam-pifika
Oay ty lova be napetrak’izy mivady
fahantrana midadasika tsy vita tora-tady
Tonga e,mamangy antsika firenena Malagasy
Razafindratapaka sy Ikotondrakikina
Nofenofenoiny e,nofenoiny fety ny calendrier
Dia ireo fankalazana ny andron’ny kere
Zany ka zany ka tena fahantrana
Indraindray ankanjo mena,indraidray miankanjo mavo
Kely finoana aho raha toa ka milaza
Mbola hisy fandrosoana ve i Madagasikara.