Nijaly aho, nitomany aho,
Narary aho, nandalo ady mafy aho,
Raha namaky lohasaha, be reo sedra nampanahy,
Raha nita rano be tsy sasatra aho miteny hoe
Ty zandrinao raha mandeha dia tantananao foana
Ao anaty fitsapana na tsiky na tomany
Ianao Jesoa dia teo foana.
Ireo sendra izay ampandalovanao ahy, raisiko ho fanefena
Tsapako loatra ilay Fitiavanao ahy, na ny ainao aza dia foinao
Dia salama aho, natsiaro maivana aho,
Raha nitory teny soa tamin’ireo namako,
Amin’ny androko rehetra na mandeha aho na mitoetra
Ty zandrinao raha mandeha dia tantananao foana
Ao anaty fitsapana na tsiky na tomany
Ianao Jesoa dia teo foana.
Ireo sendra izay ampandalovanao ahy, raisiko ho fanefena
Tsapako loatra ilay Fitiavanao ahy, na ny ainao aza dia foinao
Feon-kira (Na na na na...)