Tsy vitsy fa maro amintsika izao
No milaza Azy ho tena mpivavaka
Raha toa ka fijery, hivelany ihany
Tsy diso ary ekena fa marina
Jereo fa raha tonga ny Alahady
Misisika ho any am-piangonana
Sahirana ery RAPASY amin'ny fanitarana
Fa tsy aharaka ny dabilio
Dia mihevitra isika fa jamba ny Tompo
Tsy hafantatra izay tena marina
Ireo fihetsiketsehana be dia be
Jereo fa raha tonga ny andro Alahady
Mianjaika fa ho any am-piangonana
Ny fo anefa amin'io feno fialonana
Dia mivavaka tsotra ihany,
Tsy miasa na mitory akory,
Toetra ratsy ka hajanony!
Ry tanora o! Ianareo izao no hasina resaka
Ka henoy e! Dia mahazo toerana hipetraka
Tsara dia Tsara ny hoe Chorale
Kanefa izao no mampiasa saina
Asabotsy Ianareo dia mamonjy Bal
Tsy mody Ianareo raha tsy efa maraina
Ny Alahady , Kanefa mihira Ianareo am-piangonana
Mibikabika e! Toy ireny andeha hamonjy lanonana
Mizesita ery! fa hoe :ARTISTA
Raha anao hadalana dia loha lisitra
Mihira Ianareo tena toy ny Anjely
Ny toetra kanefa dia tsy mamely