Efa ela aho no nandondona teo
Efa ela aho no niantsoantso
Ilay olona sendra nandalo teo
Nisy taratasy efa napetrako teo
Saingy mety efa nifindra toerana
Ref : Tampoka be ny fandehanana
Tsy nahafahana nilaza mialoha
Na dia teo aza izany rehetra izany
Tsy nisento aho, tsy nitomany
F’efa lalim-paka ilay fitiavana.
..........................
F’efa lalim-paka ilay fitiavana.
Ilay fotoana efa mba nifanomezana
Toa tsaroako hoe lavitra loatra
Efa tsy nanatena aho ny hahita anao
Fa naleoko nandramana ihany
Nisy taratasy efa napetrako teo
Saingy mety efa nifindra toerana
Ref : Tampoka be ny fandehanana
Tsy nahafahana nilaza mialoha
Na dia teo aza izany rehetra izany
Tsy nisento aho, tsy nitomany
F’efa lalim-paka, f'efa lalim-paka
Nisy taratasy efa napetrako teo
Saingy mety efa nifindra toerana
Ref : Tampoka be ny fandehanana
Tsy nahafahana nilaza mialoha