Eo an-tsorokao tokoa ny fanapahana (Jesoa)
Ny Anaranao atao hoe Mahagaga (Jesoa)
Ary koa Mpanolo-tsaina sy Mahery koa
Ray Andrian'ny fiadanana Ianao Jesoa
Tsy mba manam-paharoa tokoa ny Herinao (Jesoa)
Fa ny Fahefana rehetra eo an-tananao (Jesoa)
Ny lohalika rehetra mandohalika (Jesoa)
Ary avy Aminao ny Famonjena
Manapahà amin'ny foko Ianao Jesoa
Manam-pahefana feno amin'ny fiainako (Ianao)
Tsy hanam-pahataperana tokoa ny Herinao Tompo ô
'Lay fanetrentenanao no atao filamatra (Jesoa)
Halain-tahaka tokoa fa soa fianatra (Jesoa)
Andriamanitra Mahery, Be fitiavana
Naka endrika mpanompo Ianao Jesoa
Tsy mba manam-paharoa tokoa ny Herinao (Jesoa)
Fa ny Fahefana rehetra eo an-tananao (Jesoa)
Ny lohalika rehetra mandohalika (Jesoa)
Ary avy Aminao ny Famonjena
Manapahà amin'ny foko Ianao Jesoa
Manam-pahefana feno amin'ny fiainako (Ianao)
Tsy hanam-pahataperana tokoa ny Herinao Tompo ô
Manapahà amin'ny foko Ianao Jesoa
Manam-pahefana feno amin'ny fiainako (Ianao)
Tsy hanam-pahataperana tokoa ny Herinao Tompo ô
Antoko MPIhira ZIona FAhazavana Anosibe AMPIZIFA