Ny fahefanao Jesoa, tsy hay tohaina mihitsy
Ianao no mitantana, mihazona ny aiko
Ka ravoravo ery ny foko, fa nofinidinao hiasa indray
Handeha sy hamoa, hampiely tokoa ny Teninao
Na dia mpanompo tsy mahasoa
Tsy avelanao izahay ny ho very
Fa nomenao asa hitory indray ny Filazantsara
Havaoziko eto indray ny fanolorantena
Inty aho raiso Jesoa fa vonona ny ho Anao
Ka ravoravo ery ny foko, fa nofinidinao hiasa indray
Handeha sy hamoa, hampiely tokoa ny Teninao
Na dia mpanompo tsy mahasoa
Tsy avelanao izahay ny ho very
Fa nomenao asa hitory indray ny Filazantsara
Ny androko ho avy rehetra, ankinina Aminao
Ka n'aiza n'aiza haleha, na inona atao
Ka ravoravo ery ny foko, fa nofinidinao hiasa indray
Handeha sy hamoa, hampiely tokoa ny Teninao
Na dia mpanompo tsy mahasoa
Tsy avelanao izahay ny ho very
Fa nomenao asa hitory indray ny Filazantsara
Ka ravoravo ery ny foko, fa nofinidinao hiasa indray
Handeha sy hamoa, hampiely tokoa ny Teninao
Na dia mpanompo tsy mahasoa
Tsy avelanao izahay ny ho very
Fa nomenao asa hitory indray ny Filazantsara
Fa nomenao asa hitory indray ny Filazantsara
Antoko MPIhira ZIona FAhazavana Anosibe AMPIZIFA