Hihira ho an'i Jehovah aho
Satria tsara ny mihira ho Azy
Hihira ho an'i Jehovah aho
Satria tsara ny mihira ho Azy
Tsy ho takatry ny saina hanananay
Ny fahalehibiazanao, ô! ry Ray
Mahasambatra, mahafaly ny fonay
Raha jerena koa izato asan-tànanao
Toa manosika hanandram-peo
Hidera, hankalaza ny fahatsaranao
Hihira ho an'i Jehovah aho
Satria tsara ny mihira ho Azy
Eny mamy sady mendrika ...
Hihira ho an'i Jehovah aho
Satria tsara ny mihira ho Azy
Ry olona havako ô! moa ve tena tsapanao
Tsy mamela anao ho very ety an-tany
Tsy ny sentonao, na ny fahorianao
No hahakivy anao sanatria
Aoka ho tsapanao fa 'Lay Ray tsy mba mandao
Hihira ho an'i Jehovah aho
Satria tsara ny mihira ho Azy
Satria tsara ny mihira ho Azy
AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)