Tsy misy ahiako intsony ao Aminao
Tompo tia, tena sambatra aho eo anilanao
Ny fiainako, am-pelatananao
Ny hoavy rehetrako, efa nalahatrao
Ka tano aho tsy hisaraka Aminao
Tsy misy harombaka ny am-pelatananao
Ny eo akaikinao no mahatsara ahy
Fa raha halavirinao ho reraka am-panahy
Tsy misy mampanahy ny ao Aminao
'Lay satana fahavaloko, efa resinao
Ny anjarako dia ny miambina
Ho miaramilanao, na aiza misy ahy
Tafio ny herinao tsy hihemotra aho Jesoa
Ny Teninao Mahery no Ampingako
Ny eo akaikinao no mahatsara ahy
Fa raha halavirinao, ho reraka am-panahy
Ka tano aho tsy hisaraka Aminao
Tsy misy harombaka ny am-pelatananao
Ny eo akaikinao no mahatsara ahy
Fa raha halavirinao ho reraka am-panahy
Tsy misy ahiako intsony ao Aminao
Tompo tia, tena sambatra aho eo anilanao
AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)