Jesoa irery ihany no Làlana e!
Tokana hahazoanao mandeha
Mizotra mba ho tody an-danitsa e!
Izy tia fa tsy manavaka e!
'Zay te hanaraka Azy havelany e!
N'iza n'iza longo te handeha
Mafy ve ny ady hatrehanao?
Maro koa ny olana hiainanao?
Ialao ny ratsy, araho Izy e!
Mafy ve ny ady hatrehanao?
Maro koa ny olana hiainanao?
Ialao ny ratsy, araho Izy e!
Jesoa 'lay Fahamarinana e!
Ny Marina 'lay tonga lafatsa e!
'Zay miala Aminy ho very anie
Izy tia fa tsy manavaka e!
'Zay te hanaraka Azy havelany e!
Ny Marina ry longo havako e!
Ny fakam-panahy mahazo ety
Indraindray mahavoa, mamatotsa e!
Mitandrema, araho 'lay Marina e!
Ny fakam-panahy mahazo ety
Indraindray mahavoa mamatotsa e!
Mitandrema, araho 'lay Marina e!
Jesoa ihany koa dia fiainana e!
Fiainana mandrakizay anie
'Zay mandray Azy ho velona
F'Izy anie dia Fiainana e!
Izy tia fa tsy manavaka e!
'Zay te hanaraka Azy havelany e!
Longo raiso Izy ho Fiainanao
Dia hampanjakao Jesoa Kristy
Raiso hatrany Izy ho fiainanao
Dia hampanjakao Jesoa Kristy
Raiso hatrany Izy ho fiainanao
Izy tia fa tsy manavaka e!
'Zay te hanaraka Azy havelany e!
Longo raiso Izy ho Fiainanao
AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)