Inona moa no azo hantenaina, amin'ity tany ity
Ho levona avokoa, izao rehetra izao ho lo
Ny teninao ihany ry Tompo, no maharitra mandrakizay
Ka tànako ho fiainako, ary hankatoaviko
Sarobidy ho ahy Jesoa ny teninao (ny teninao)
Toy ny jiro manazava izay haleha (izay haleha)
Mampahery ahy hatrany, mamonjy ny Fanahy
Sarobidy ho ahy Jesoa ny teninao (ny teninao)
Toy ny jiro manazava izay haleha (izay haleha)
Mampahery ahy hatrany, mamonjy ny Fanahy
Tsy misy azoko hantenaina, raha izao fiainana izao
Matetika mampanahy, sy mampahory ahy re
F'ao Aminao irery Mpamonjy, no tena mahasambatra ahy
Ianao Jesoa no Mpiaro ahy, ka tsy hanan-tahotra aho
Sarobidy ho ahy ny miaraka Aminao (Jesosy ô!)
Tsy ho sandaiko vola, na harena koa (Ianao)
Fa foiko ho anao daholo, izay ahy manontolo
Sarobidy ho ahy ny miaraka Aminao (Jesosy ô!)
Tsy ho sandaiko vola, na harena koa (Ianao)
Fa foiko ho anao daholo, izay ahy manontolo
AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)