Tao anaty lalina no niantsoako anao
Meteza re ianao hihaino ny fifonako
Ka aza ilaozanao mihodina aho
Vonjeo, vonjeo, vonjeo fa mitalaho
Aoka mba ho amin’ny famindram-ponao
Tao anaty aizina no nampandady ahy
Kanefa tsy mba nisy nety nanazava ahy
Nefa tiako ho tsapanao tompo ô fa
Ny aiko dia natokako ho anao
Saingy amin’izao fahoriako izao
Ho ahy jeso, ho aiza moa aho???
Refrain : Tsia jesosy ô! Tsy harena no omeko anao
Tsy vola, volamena fa ny tenako ho anao ô! ô!
Tsy manaiky aho Jeso raha tsy tahianao
Ka ny feoko no asandratro ho anao
Maneke fa ao i Jesosy fitiavana
Manohana izay rehetra efa lavo izy
Eo akaikin’izay miantso azy
Mampitraka izay rehetra mitanondrika
Manasitrana ny aretina izy
Mendrika homem-boninahitra
Hitako ny kintana mamirampiratra
Ny volamena, vatosoa, ny harena eto an-tany
Saingy tena tsy ampy, tsy ampy ahy
Raha tsy eo ilay tomponay
Raha asainao misafidy aho
Dia tsy mihambahamba hatrany
Itafiako JESOSY MPANAFAKA ahy
Mpihira : Dr. Jean Alphonse