Fifaliana ho anay ny mahita anareo e!
Ka hiaraka isika hidera ny Ray ô!
Hiara-hidera ny Tompo iray ô!
Matoky Anao, ‘lay Tompo sy Andriamanitro aho
Ka mialoka Aminao tsy manana ahiahy
Misaotra Anao mpanome ny soan'ny lanitra
Tsy asoloko ireo raha izao tontolo izao.
Matoky Anao na dia sarotra fantarina
(Ny fihevitrao sy ny fitarihanao)
Matoky Anao ilay Tsitoha mpanao ny marina
Be indrafo Rain’ny fiadanana!
Manana aho,Tompo ô fa manana Anao
Niova ny fiainako Tompo ô tao Aminao.
Tsy nanenina aho raha nandray Anao
tsy ho toy izao ny fiainako,
Tsy mila tambiny mihintsy,
Ny fitiavany tsy mety ritra
Ho Azy lalandava ny dera sy laza!
Aofaofay oah ny tànana e!
Ny fitiavany anie fenomanana e!
Asandrato amin'ny hira tsy miato e!
Fiderana tsy misy fetrany mendrika azy
Fiankohofana rehetra atolory azy
Tompo ô! misandrata e! eh!
Tompo ô! misandrata e! eh!
Eo amin'ny fiainako ny anaranao!
Ho fahazavan'izao tontolo izao
Tompo ô! misandrata e! eh!
Tompo ô! misandrata e! eh!
Eo amin'ny fiainako ny anaranao!
Ho fahazavan'izao tontolo izao!