Hisolo tena mba hamangivangy
Satry ny hanome ny tsara indrindra
Tsy hanoratra tononkalo maro
Hitantara izao rehetra izao
Tsy hosembanan-tsentosento
Ity onjam-peo hitondra ho eo anilanareo
Hanambatra ny saina sy ny fo amam-panahy
Gadon-kira fandihy falifaly
Fehezam-bonin-kazo manitra
Atolotra ho an'ny rehetra
Gadon-kira fandihy falifaly
Fehezam-bonin-kazo manitra
Atolotra ho an'ny rehetra
Sy rindran-teny ombam-pitiavana
Ireo efa niarahana hatrizay
Hitantara izao rehetra izao
Tsy ho sembanan-tsentosento
Fa soa ihany fa nisy ity onjam-peo
Hitondra ahy ho eo anilanareo
Hanambatra ny saina sy ny fo amam-panahy
Gadon-kira fandihy falifaly
Fehezam-bonin-kazo manitra
Atolotra ho an'ny rehetra
Gadon-kira fandihy falifaly
Fehezam-bonin-kazo manitra
Atolotra ho an'ny rehetra