Te handre indray 'reo teny fanaonao isan'ora
Izay nameno ny foko teo aloha
Te-hahatsapa ilay fijery mahatorotoro
Nitsena ahy rehefa mifoha
Nentim-pahazarana ve isika roa
No nandao izany fitia be dia be
Nandalo jalijaly marobe ve isika roa
No nandao izany fitia be dia be
Dia mahatsiaro ireo angolam-pitia vao nafana
Fa nankaiza ilay fanilo nitondra hazavana
Nentim-pahazarana ve isika roa
No nandao izany fitia be dia be
Nandalo jalijaly marobe ve isika roa
Fa mbola tia, dia miandry
Mbola maniry te-hiaraka hitady
Mbola tia, eny ho'aho, mbola miandry
Hiara-hilalao hatrany hatrany
Nentim-pahazarana ve isika roa
No nandao izany fitia be dia be izany
Nandalo jalijaly marobe ve isika roa
Nentim-pahazarana ve isika roa
No nandao izany fitia be dia be
Nandalo jalijaly marobe ve isika roa
Fa ny ao anatiko ao mbola te-handre