Mihorohoro ny tany sy ny lanitra
Maloka feno alahelo ny olona
Raha mandre ny feo mitaraina izao
Mampangoraka, antra ny fo
Ray oh ! Esory ity kapoaka ity
Fa mila haningotra ny aiko izao ka avia
Fa nahoana no dia mahafoy ahy Ianao
Raiko oh! Inty ny zanakao
Fa horaketiko ato am-poko
Ny fotoana niharetanao ho soloko
Tsy ho zakako rah ny aiko izao
Jesosy oh! Fa tena tia ahy loatra Ianao
Ny heloko voasasa ka madio aho
Teo amin’ny hazo fijaliana
Ry Tompo oh! Mba ho famonjena ahy
Raha niandrandra nibanjina ny lanitra aho
Tsinjoko eto ny haben’ny famindram-ponao
Tsy nijery ny tao am-ponay Ianao
Ny otanay nentinao tao Kalvary
Tsy navela hijaly izahay sanatria
Fa fitia toy ny ahoana no atolotrao
Dia ny ainao re natao sorona
Fa horaketiko ato am-poko
Ny fotoana niharetanao ho soloko
Tsy ho zakako raha ny aiko izao
Jesosy oh! Fa tena tia ahy loatra Ianao
Ny heloko voasasa ka madio aho
Teo amin’ny hazo fijaliana
Ry Tompo oh! Mba ho famonjena ahy o o o