Ity hira ity no hamangiako anao any,
Dia hilazako hoe, hoe fitiavako madio.
Izao ihany aho dia hanambatra ny hery.
Ireny no efa vita ka tsy tiako ho very.
Tsy miova aho, (tsy miova)
tsy miova intsony aho. (tsy miova intsony)
Fa tena tia, (Fa efa tia)
Tena tia anao. (Tena tia anao)
Esory hatreo izay mampiahiahy, hm hmm
Ny fitiavako anao dia ataovy am-panahy.
Mandrakotra fotoana tsy ravan'ny taona
Tsy norefesina ho ampirafesina.
Tsy miova aho, (tsy miova)
tsy miova intsony. (tsy miova intsony)
Fa tena tia, (Fa efa tia)
Tena tia anao. (Tena tia anao)
Tsy mandray ny hafa intsony
Tsy mandray ny hafa intsony
Tsy miova aho, (tsy miova)
tsy miova intsony aho. (tsy miova intsony)
Fa tena tia, (Fa efa tia)
Tena tia anao. (Tena tia anao)
Tsy miova aho, (tsy miova)
tsy miova intsony. (tsy miova intsony)
Efa tia anao. (Tena tia anao)