Tsy maintsy mandeha, na tiana na tsy tiana
Na ho fifaniana o !, na ho fahoriana e!e!e!
Làlana tsy maintsy izorana
Maneno lakolosy fidirana an-tsekoly
Vita atreo vakansy fialahamboly
Itako kivy izany zandriko izany
Tsy maintsy mandeha, na tiana na tsy tiana
Na ho fifaniana o !, na ho fahoriana e!e!e!
Làlana tsy maintsy izorana
Mpiasampanjakana voatendry andeha
Amin’ny toarana lavitra be
Manjorehitra kivy ity namako ity
Jereo fa malaelo mafy ery
Tsy maintsy mandeha, na tiana na tsy tiana
Na ho fifaniana o !, na ho fahoriana e!e!e!
Làlana tsy maintsy izorana
Tanora roa mihevitra fa hoe tsara
Nandrana mihinana voankazo voarara
Tsy nampoiziny fa nataony vazivazy
Ilay Boay mitady handà ny mariazy
Tsy maintsy mandeha, na tiana na tsy tiana
Na ho fifaniana o !, na ho fahoriana e!e!e!
Làlana tsy maintsy izorana
Ny zavatra eto an-tany dia misy fetra
Torak’izany ny olona rehetra
Samy mbola té hovelona hatrany
Malahel o ny handao ny tany