Namoronako ny tsy nanànako,
Nanakarako ny tsy azon’ny tànako,
Nandaniako izay kely fananako,
Ts’isy tany nihoriranako,
Matetika aza tsy nihinanako,
Aretina aza mbola nitsanganako,
Ireo voa nafafiny ho ratsy faniry;
Samy mikolo sy mikely aina,
Mba ny soa no hojinjaina,
Hanana ny tsara hoandrandraina.
Be ny làlana azo nandehanako,
Ny sampanana azo niolanako,
Saingy ny mahitsy no notanako,
Matetika, nikapoka ny tànako,
Nisy fotoana tsy maintsy nihenjanako,
Mahery, angamba, hoy ianareo ny fitantànako,
Ireo voa nafafiny ho ratsy faniry;
Samy mikolo sy mikely aina,
Mba ny soa no hojinjaina,
Hanana ny tsara hoandrandraina.
Na noana aza aho, ianareo no fahanako,
Ho anareo no nifaninanako,
Izay sitrapoko zary nobahanako,
Fa ho avy ny andro tsy hitsanganako,
Fotoana izay tsy maintsy handehanako,
Nisy anareo tety nisahiranako,
Fa ianareo ho tsara faniry,
Hiroborobo, lavitry ny hirifiry,
Izay no valin-kasasarana,
Ho ahy any am-pitsaharana!