Ny fefinao ry tiana no sarotra iniana
Mangasihasy aho nefa be faniriana
Ny fitiavako tsy tana, tsy voarefy
Mangetaheta ka te hioam-pefy
Ref ; Aiza no aleha, raha toa te hiombona
Fa toa rindrina, rindrimbe
Noho ny ela ny ela, tafanika ihany
Nefa voatery hanivatsiva tokotany
Tao koa anefa ala mikitroka
Nitsapatsapa aho, impiry aho no ditsoka
Ref ; Aiza no aleha, toa manjombojombona
Toroy arabe, fa efa tsy mahatombona
Noho ny tonga teo antokonana
Nitady izay fomba azo anantonana
Saingy vao nanandrana nandingana
Hay mbola nisy hazo iray namingana
Ref ; Aiza no aleha fa toa rindrim-bato
Misy soratra hoe tsy azo idirana ato
Izany anefa tsy nahasakana ahy
Niroso ihany aho nanao kirin-dehilahy
Kanjo nisy olona iray niseho
Nilefa aho nandositra toy ny tsy teo