Be ny aina, ny ra latsaka ka namely ity tany
Nantenaina ho zezika hanafaka hanafoana tomany
Be ny tsy rariny noleferina
Fa nantenaina hampiverina
Nefa miandry, miandry lalandava
Ny aizina ho foana sy ho rava
Fa miandry, mbola miandry lalandava
Ny aizina ho foana sy ho rava
Fa ilay rindrina nazera izay nataonao fierena
Natsanganao indray tsy ankiera
Fa mandoro maso ny fiangarana
Ny bitika ihany no itambesarana
F’efa leo miandry lalandava
Fa toa zary, zary kobak’ambava
Ny fitaka sy lainga tsy efa lalandava
Tsy misy miteny na mba manazava
Ts’isy manorina fa toa faly mandrava
Toy ny mijery harina an-tava
Nefa miandry, miandry lalandava
Mba hisy taratra hanazava
Ny aizina ho foana sy ho rava
Fa miandry, miandry lalandava
Mba hisy taratra hanazava
Ny aizina ho foana sy ho rava